Ity tambazotra antsoina hoe ACOM ity dia natao ho sehatra ihaonan'ny sehatra fihariana ara-toekarena sy serasera sosialy; amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisana maoderina sy faingam-piasa amin'ny kirakira vaovao sy rindrakazy isan-tsokaziny. Raha tsorina dia ny fanambany ara-teknika mitantana ity sehatra ity dia natao sy namboarina indrindra mba hifanentana araka izay azo atao, na amin'ny zotram-pifandraisana efa tranainy aza. Hanamora araka izay azo atao ny fampiasana ny tranonkalan'ny sehatra ACOM no tanjona amin'izany, eny fa na hatrany amin'ny tontolo ambanivohitra mazana sarotra fifandraisana aza.
Noho izay rafitra teknika manokana izay dia efa ambara izany, fa ny vaovao hameno ity sehatra ACOM ity dia ireo tompon'ireo vaovao ireo mihitsy no hampiasa avy hatrany ireny fitaovana ireny, izay hanamora betsaka ny fampitana na fangalana vaovao mankany na avy any amin'ny sehatra ACOM. Antsoina hoe "point d'accès ACOM" na "PA" ireny fitaovana ireny ary azo alaina tsara avy eto amin'ny sehatra ACOM izy io, ho an'izay rehetra te hampiasa azy ka avy nisoratra anarana amin'ny ity rohy ity.
Zava-dehibe amin'ity sehatra ACOM ity ny fanananao io vokatra "point d'accès ACOM", satria ho ezahina ankoatra ny maha fitaovam-pifandraisana mahomby azy amin'ny tranonkala ACOM, ny fahafahana aoriana kely ny hampihodinana ao anatin'izireny laminasa na rindrakazy azon'izay rehetra manana azy ampiasaina amin'ny sehatrasa misy azy avy (laminasa fitantanana ohatra ...)
|